Calendrier

Pasitera d'elnivo

PASKA FIADANANA 

FITSANGATSANGANA 

FETIN'NY FIANAKAVIANA

KRISMASIM-PIFALIANA 2021

STK-retraite spirituelle

RANDONNEE -PIQUE NIQUE

SA SP-FIZARANA DIPLOMA

TANTELY-SAMPANA DORKASY

STK-RETRAITE SPIRITUELLE

RANDONNEE-CHATEAU DE RENTILLY

ISAN-KERITAONAN'NY SAFIF


Amin’ny Asabotsy 19 Jona 2021 ho avy izao no hotanterahina ny Isan-kerin-taonan’ny SaFif SP37.

Fanompoam-pivavahana izay hanomboka amin’ny 2 ora folakandro (14h) ao amin’ny Eglise Saint Jean, 15 avenue de Verdun 94230 CACHAN.

Hisy hira hiombonana hataon’ny Sehapitaizana rehetra amin’ny fanompoam-pivavahana amin’io fotoana io, izay alefa amintsika mail ny rohy hakana izany hira izany


taratasy fisaorana AFF



Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo ry havana!
Indro alefako mipaingotra eto ny rosian'ny vola 470€ izay nalefanareo.
Maneho entoana ny fisaorana amin'ny fiaraha-miasa sy ny fanohananareo ny asan'ny AFF.
Io rosia io dia azonareo raisina eto @ AFF Foibe varavarana 512 Foibe FJKM rehefa misy afaka mandalo maka azy (na tsy eo aza aho dia azo raisina @ mpandraharaha) - ny daty na ny nomeraon'ny rosia no entina rehefa haka azy

Manantena aho fa manampy anareo ny Tompo amin'ny fandaminana ny zava-nitranga teo amin'ny Fiangonana.
Tsy mitsahatra mivavaka ho anareo izahay.

Hoy ny Soratra Masina:
Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo. — I Korintiana 15 : 58
Ny Tompo anie hampiorina anareo hatrany
Past Triomphe


taratasy fisaorana sampati


Ho an'ny Birao sy ny Mpitandrina eto anivon’ny SPVFA-37/ Ny SAMPATI isam-pitandremana,
Antony: Tataratasy Fisaorana – ISANKERITAONA Sampati Synodam-paritany
Ry Havana,
“Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy
Jesosy Kristy Tompo” Fil 1:2
Ny birao eto anivon’ny SAMPATI SP37 dia misaotra an’Andriamanitra noho ny
nahatanterahan’ny Isankeritaona Sampati SP37 2021 ary manolotra fisaorana sy
fankasitrahana feno ho an’ny biraon’ny synodam-paritany, ny mpitandrina Tiandray
MAHANDRY, ny Sampati Isam-pitandremana ary ny sampati sy ny fiangonana Wagner
Finoana noho ny fikarakarana ny trano fiangonana nanantontosaina izany. Mamerina ny
fisaorana antsika hatrany manome lanja ny fiombonana sy ny firaisan-kina eto anivon’ny
Sampati Synodam-paritany.
Mirary famaranana taom-panabehazana finaritra ho an’ny Sampati isam-pitandremana ary
manonona ny fiadanan’ny Tompo ho amintsika tsirairay avy,
Amin’ny anaran’ny Birao SAMPATI Synodam-paritany Ampitan-dranomasina,
Ny filoha
ANDRIANAVALONA Stéphane (Lasanga Mierty)
07 55 71 70 46
Ny mpitantsoratra
RAKOTOMIAMINA Saraha
06 60 12 27 48

VAROTRA TANTELY DORKASY




VOKATRA SANTATRA 2021




fiarahabana paska sp37


Ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana ary ny VOMM sy ny Kristiana rehetra eto amin’ny SP VFA 37.
“Fa voavono I Kristy, Paska ho antsika” 1 Kor.5:7b
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin'ny Fanahy fito eo anoloan'ny seza fiandrianany; ary avy amin'i Jesoa Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany". Amena. (Apo.1:4-5)
Ry havana,
Ny Filoha sy ny Birao mpiara-miasa aminy ato amin’ny SP37 dia faly miarahaba antsika tsy an-kanavaka nahatratra izao andro Paska taona 2021 izao .
Miara-midera an’Andriamanitra isika,  fa na dia eo aza ny olana maro samihafa eo amin’ny fivezivezena dia afaka miara-mamonjy Fiangonana, mihaino ny Tenin’Andriamanitra, sy mandray ny Fanasan’ny Tompo isika amin’izao andro Paska izao (tsy tahaka ny tamin’ny taona lasa).
Noho izany dia araraoty, ry havana, ny fampiorenana ny finoana amin’ny fanavotan’I Kristy fa iaraha-mahita fa miara-ratsy izao fiainana izao.
Koa, miombona tsara amin’ny fifankatiavana masina, mifampivavaha mandrakariva ary mahareta amin’ny Fitoriana ny Filazantsaran’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.
“Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy” (Mat.26:7a)
Ho anareo anatin’ny tsy fahasalamana, sy manana fianakaviana tsy salama sy ireo namoy havana dia mampahery sy mahatsiaro am-bavaka anareo izahay ary mitondra izao Teny fampaherezana izao: “Hoy I Jesoa: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.” (Jao.11:25-26)
Mirary antsika samy hanao Paska Sambatra miaraka amin’ny fitandroana ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fandaminana napetraky ny fanjakana, ry havana.
Manao veloma amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa, samia ho tahian’Andriamanitra
 
Ny Filoha: Ny Mpitandrina RAHOLIARISON Yves
Ny Mpitantsoratra: Ny Mpitandrina RASOAVIMBAHOAKA Fanjanavalona

FANKASITRAHANA

Fiofanana miaraka tale aff foibe

STK Peniela

Faha 10 taona sefala sp37

STK Peniela

FANOKAFANA TAOM-PANABEAZANA AO WAGNER

STK Peniela

SP37

Ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana ary ny Vondron’olona Mpiara-Mivavaka eto amin’ny SP37

Ho an’ny Biraon’ny Sampana Fifohazana Fitandremana, ny Mpiomana ary ny Mpiandry eto amin’ny SP37
Ho an’ny Mpikambana ao amin’ny Komity Lehiben’ny SaFif SP37
Ho aminareo rehetra izay ao amin’i Kristy anie ny fiadanana (1 Pet.5 :14)
 
« Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka » Salamo 37 :5



Ry havana,
Fifaliana ho an’ny Filoha sy ny Biraon’ny SaFif SP37 mpiara-miasa aminy ny miarahaba antsika rehetra nahatratra izao taona 2021 izao, rehefa samy avy nandalo ny soa sy ny ratsy nandritra iny taona 2020 lasa iny. Isaorantsika Andriamanitra Tsitoha izay nitondra antsika tamin’ny fitahiana maha-tretrika tokoa. Izy anie homba sy hitantana antsika ihany koa amin’asa sy ny fikasana tsara rehetra ankinintsika Aminy amin’ny famakivakiana ity taona ity, ho an’ny isam-batan’olona, ny isan-tokatrano, ny isam-piangonana sy ny Sampana, ny Sampanasa ary Asa misy antsika tsirairay avy.
Amin’izao voalohan’ny taona izao, dia amin’ny fanantenana ny fiombonam-po sy ny fiaraha-miasa avy amintsika ihany no hampitainay izao fandaharana manaraka izao, ry havana :
1)       Fivorian’ny Komity Lehiben’ny SaFif SP37 :
-          Fotoana : 16/01/2021
-          Ora : 10 ora maraina hatramin’ny 1ora folakandro (10h-13h)
-          Toerana : FJKM Montrouge Paris – 64 rue Maurice Arnoux – 92120 Montrouge
Izany dia iantsoana ny Mpitandrina rehetra sy ny Komity Lehiben’ny SaFif SP37 :
 
2)       Fotoam-pifohazan’ny SP37 voalohany taona 2021 :
-          Fotoana : 22/01/2021
-          Ora : 08 ora alina
-          Fitaovana : ZOOM
-          Rohy
 
ID de réunion : 870 4089 3674
Code secret : 202137
 
Izany dia iantsoana antsika Kristiana rehetra eto amin’ny SP37, ny Mpiandry, ny Mpiomana, ny Zanaky ny Fifohazana,  hiarahana amin’ireo tapaka sy namana, ho fandraisantsika ny Fampaherezana avy amin’ny Fotoam-bavaka sy ny Fampianarana.
 
3)       Fiofanan’ny Biraon’ny SaFif Fitandremana taona 2021 :
-          Fotoana : Volana Febroary 2021
-          Mbola entina amintsika aoriana ihany ny fandaminana, fa miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana izany.
Iantsoana kosa ny Mpikambana rehetra ao amin’ny Biraon’ny SaFif isam-pitandremana ho fanovozan-kery sy fampianarana entina hiatrika indray ity taom-piasàna 2021 ity.
 
Dia mankasitraka mialoha ny fandraisan’anjara sy ny fifanohanana ary ny fifanotronantsika ombam-pitrotroana am-bavaka ireo fotoana ireo, ry havana.
Mirary soa sy ny fitahian’ny Tompo ny tsirairay avy
Amin’ny anaran’ny Biraon’ny SaFif SP37

Ny Filoha                                                                                                   Ny Mpitantsoratra
Ny Mpitandrina RAFALINIRINA Lalao Angèle                                Ramatoa RASOAVIAMBAHOAKA Nyaina    


Fotoampivavahana SP37

sasakalina

STK Peniela

Kitapom-Bokatra

                 
                  Araka ny voalaza tamin'ny raharahan'ny Fiangonana farany teo, momban’ilay “Kitapom-Bokatra” isam-pianakaviana, izay nozaraina tamintsika, sy ny fandaminana nolazaina tamintsika , dia ho tanterahana ny fananterana izany amin'ny alahady 06 desambra 2020 ho avy izao, any ampiangonana. Koa manentana antsika mpianakavin’ny finoana, hanatanteraka izany. Raha misy moa amintsika maniry ny  hanao virement izany any amin’ny compte fiangonana, dia afaka mangataka RIB any amin’ny Biraon’ny Fiangonana.

Mirary soa eo ambanin'ny fitahian'ny Tompo

Amin'ny anaran'ny Komitin'ny Vokatra

HETSIKA BARQUETTES

                 Ho an’ny Kristiana rehetra ato amin’ny FJKM Peniela Fitiavana Paris Atsinanana
                 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo
                 Ry havana malala,
       Ny Mpitandrina mivady sy ny Biraon’ny Fiangonana eto Peniela Fitiavana dia miarahaba antsika nahatanteraka ny « Hetsika Barquette »’ny Fiangonana omaly Asabotsy 28 Novambra 2020.
Isaorantsika an’Andriamanitra Lehibe izany fa matoa izany no tontosa dia noho ny fitahiany sy ny fanambinany antsika tsirairay avy.
Mankasitraka indrindra anareo Komitin’ny vokatra rehetra, ianareo Mpikarakara nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka, ianareo nanatitra ny sakafo isam-baravarana, ianareo rehetra nahafohy tamin’ny fanomezana sy fandraisana anjara samihafa (vola, fitaovana, fotoana, hevitra, fandrindrana, fanentanana, Soratra Masina, Vavaka sns…) fa ny fiaraha-miasanareo no nahatsara ny Vokatra niarahantsika sy naneho ny voninahitr’Andriamanitra.
Tsy adinonay ny manolotra fisaorana ny fankatelemana ho an'ny isam-batan'olona sy isan-tokatrano nandray anjara mavitrika tamin'ny fividianana ny barquettes izay hita fa samy nanao izay ho hafany tokoa. 
Hoy tokoa ny Soratra Masina hoe : « Voazarazara ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany,  Loharano ipoiran’ny asa rehetra ao amin’ny olona rehetra » 1 Kor.12 :6 (DIEM)
Nahafohy zavatra maro ianareo noho ny amin’ny Tompo, Izay mankasitraka anareo ary milaza hoe : « Lazaiko aminareo marina tokoa : « tsy misy olona izay efa nahafohy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan’Andriamanitra, izay tsy handray be lavitra amin’izao andro ankehitriny izao, ary amin’ny ho avy dia fiainana mandrakizay » » Lio.18 :29-30
Mirary ny fiadanan’ny Tompo amintsika rehetra, hiatrika ny Advento ary samy hahatratra ny Krismasy sambatra.
 
Ny Mpitandrina
Rasoavimbahoaka Fanjanavalona

HETSIKA BARQUETTES

HETSIKA FJKM PENIELA FITIAVANA

vokatra santatra 2020

VOKATRA FJKM PENIELA FITIAVANA

FOTOAMPIFOHAZANAN'NY SP37 ZOMA 19 JONA 2020

Ho an'ny Mpitandrina sy ny Fiangonana ary Vondron'olona Mpiara-mivavaka eto amin'ny SP VFA 37
Ho an'ny Sampana Fifohazana, ny Mpiandry, ny Mpiomana, ny Zanaky ny Fifohazana ary ny Kristiana rehetra eto amin'ny SP VFA 37
 
Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Tompo Jesoa
 
Mbola mitohy amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra, ry havana ny fanatanterahana ny Fotoam-pifohazana eto amin’ny SP VFA 37 amin’ny Zoma 19 Jona 2020 ho avy izao.
Hanomboka amin’ny 8 ora alina (20h) toy ny mahazatra izany,  ary entanina hatrany isika  
maniry entina am-bavaka mba handefa ny « sujet de prière » any amin’ny Filohan’ny SaFif SP VFA 37, ny Mpitandrina RAFALINIRINA Lalao Angèle : rafaliangele@gmail.com, mialohan’ny Alakamisy 18 Jona 2020 mba ahazoany mandrindra ny fitondrana am-bavaka.
 
Amin’ny alalan’ny GO TO MEETING no hanarahantsika ny fotoana
Rohy :
https://global.gotomeeting.com/join/127869581

Laharana an-taroby :
Allemagne: +49 721 9881 4161
Canada: +1 (647) 497-9391
France: +33 170 950 594
Suisse: +41 225 4599 78
Code d'accès: 127-869-581


Hoy Jesoa Kristy : « Indro Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao ; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao » Lio.22 :31b-32
 
Mirary ny fitahian’i Jesoa Mpamonjy amintsika tsirairay avy.
Amin’ny anaran’ny Biraon’ny SaFif SP VFA 37
Ny Filoha                                                                                              Ny Mpitantsoratra
Ny Mpitandrina RAFALINIRINA Lalao Angèle                           Ramatoa RASOAVIMBAHOAKA Nyaina



FOTOAMPIFOHAZAN'NY SP VFA 37 AMIN'NY ZOMA 15 MEY 2020

Ho an'ny Mpitandrina sy ny Fiangonana ary Vondron'olona Mpiara-mivavaka eto amin'ny SP VFA 37
Ho an'ny Sampana Fifohazana, ny Mpiandry, ny Mpiomana, ny Zanaky ny Fifohazana ary ny Kristiana rehetra eto amin'ny SP VFA 37
 
Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Tompo Jesoa
 
Araka ny fandaharam-potoanan’ny Sampana Fifohazana eto amin’ny SP VFA 37, ry havana, dia misy ny Fotoam-pifohazana karakaraina ho antsika kristiana tsy an-kanavaka eto amin’ny SP VFA 37 isaky zoma fahatelo amin’ny volana izay efa natombok’isika tamin’ny volana Janoary 2020 izany.
 
Noho ny toe-draharaha izay iaraha-mahalala eto amintsika dia tsy mbola afaka tontosaina any am-piangonana ny Fotoam-pifohazantsika. Nefa noho ny fitiavana sy ny famindrampon’Andriamanitra dia afaka manatanteraka fiaraha-mivavaka sy fifampaherezana hatrany isika amin’ny alalan’ny fampiasana ny fifandraisan-davitra ZOOM. Mandritra izany dia tsy misy ny Asa sy Fampaherezana fa rojom-bavaka no hatao aorian’ny fandraisana ny Tenin’Andriamanitra.
 
Ny fotoam-pifohazantsika manaraka izay anasana antsika tsy an-kanavaka dia amin’ny Zoma 15 Mey 2020 ho avy izao, izay hanomboka amin’ny 8 ora alina (20h) toy ny mahazatra
 
Koa entanina isika izay maniry entina am-bavaka mba handefa ny « sujet de prière » any amin’ny Filohan’ny SaFif SP VFA 37, ny Mpitandrina RAFALINIRINA Lalao Angèle : rafaliangele@gmail.com, mialohan’ny Alakamisy 14 Mey 2020 mba ahazoany mandrindra ny fitondrana am-bavaka.
 
« Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra » Jak.5 :16b
Ito ny rohy hidirantsika amin’ny fanompoam-pivavahana
Sujet : Fotoam-pifohazan'ny SAFIF SP37
Heure : 15 mai 2020 08:00 PM Paris
 
Participer à la réunion Zoom
ETO NO FIDIRANA AMIN'NY FOTOAMPIFOHAZANA AMIN'NY ZOMA 15 MEY
ID de réunion : 790 2822 2811
Mot de passe : 3kgpuM

https://us04web.zoom.us/join 


Mirary ny fitahian’i Jesoa Mpamonjy amintsika tsirairay avy.
Amin’ny anaran’ny Biraon’ny SaFif SP VFA 37
Ny Filoha                                                                                              Ny Mpitantsoratra
Ny Mpitandrina RAFALINIRINA Lalao Angèle                           Ramatoa RASOAVIMBAHOAKA Nyaina

HAFATRA HERINANDRO MASINA 2020

Ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana ary ny VOMM eto amin’ny SP VFA 37
« Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo. » ( 2 TES 2 :2 )
Ry Havana,
Fifaliana ho anay Biraon’ny SP VFA 37 ny manoratra antsika rehetra nahatratra izao Alahadin’ny Sampandrofia sy ny Herinandro Masina izao. Miarahaba antsika tsy maty fo aman’aina fa narovan’ny Tompo tokoa ny fiangonany ( SAL 91 :7-16). Na dia teo aza ny voakasik’ireny aretina ireny dia nositranin’ny Tompo Izay efa nitondra tokoa ny rofintsika  ( ISA 53 :4a, 5). Mampahery antsika izay tsy mbola tomombana ny fahasalamana ary mahatsiaro am-bavaka anareo mandrakariva izahay sady miantso ny fiangonana mba hifampitondra am-bavaka hatrany, fa ny fivavaky ny marina mahery indrindra ry havana (JAK 5 :16b).
Manolotra ny fisaorana feno fankasitrahana ny Mpitandrina sy ny Biraon’ny Fiangonana, ny Diakonina mpiara-miasa ary ireo Kristiana Teknisiana nahalavorary ny fampitana ny fanompoam-pivavahana sy ny fampaherezana ny fiangonana tamin’ny endriny samihafa nanomboka tamin’ny fotoana nikatonan’ny Fiangonana; Matoky isika fa ho hanitra ankasitrahan’ny Tompo ireny ary hisy vokany tsara isam-batan’olona sy isam-piangonana.
Na dia eo aza ny faniriantsika hiaraka hiombom-bavaka amin’ny herinandro Masina dia tsy ho tanteraka izany noho izay efa iaraha-mahalala , tahaka izany koa ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo sy ny fankalazana ny Paska any am-piangonana.
Nefa hoy indrindra ny Soratra Masina hoe « Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasana rahateo . » ( ROM 8 : 28 ) .
Mihira amin’ny fanantenana isika manao hoe « Ka rahatrizay hanatona Anao ; Ny tsy ho farofy intsony, Fa hisy ny Alahady vaovao, Ka sitrana tsara ny fony… » (FFPM 426 :3a) .
Mbola hisy tokoa, ry havana, ny hahafahantsika manatanteraka ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo hiarahana any am-piangonana, na hamangian’ny mpitandrina any an-tokantrano ho an’ireo tena tsy mbola afaka ho any.
Misaotra ny Tompo isika fa ny Perikopa tamin’ny Alahady 29 Martsa 2020 teo dia mampahafantatra fa mbola hisy fotoana voatendry hahazoana mankalaza ny Paska amin’ny manaraka any am-piangonana : ( 2 TAN 30 :1-3 // Nom 9 : 9-11) ; izay inoana ihany koa fa hahafahantsika mitondra sy manatanteraka ny Valopim-bokatra ho an’ny Fiangonana efa zatra sy miaina izany isaky ny Paska.
Ho an’ny Fiangonana sy Vondron’olona mpiara-mivavaka tsy mbola manana Mpitandrina miahy mivantana, ny Mpitandrina Biraon’ny Synodamparitany dia manao fandaharana fanompoam-pivavahana amin’ny alalan’ny Telephone na Video ; koa adidinay ny manentana anareo mba ampiasa sy ampita ireny fanompoam-pivavahana ireny any amin’ny kristiana ao aminareo, mba hihombonantsika aina.
Manantitra ny fampaherezana ho antsika isam-batan’olona sy isam-piangonana, ry havana. Fotoana tokoa izao iainana mivantana ny Karemy, hilomana tanteraka amin’ny vavaka sy ny Soratra Masina. Na izany aza mila fitandremana mafy satria maro ny fampianaran-diso tsy mifanaraka amin’ny foto-pinoantsika FJKM, eo koa ny famitahana maro hataon’ny satana sy ny forongony izay manaketraka ny fiangonana sy mampivilivily izay tsy miorina tsara. Ny fampaherezana nataon’ny Tompo tamin’i Petera anie ho tanteraka amintsika rehetra ihany koa : « … Indro, Satana efa nilofo nitady anareo ho kororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao ; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao » (LIO 22 :31,32 ) ; Mirary antsika hahatratra ny Paska 2020, sady hiara-mifaly amin’ny fanatanterahana izany . « Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka arovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny  amin’ny fihavian’i Jesoa Kristy Tompontsika. » ( 1TES 5 : 23 )
Manao veloma finaritra anareo amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa .
Amin’ny anaran’ny Biraon’ny SP VFA 37
 
Ny Filoha                                                                      Ny Mpitantsoratra
Ny Mpitandrina Raholiarison Yves                          Ny Mpitandrina Rasoavimbahoaka Fanjanavalona

Fanolorana mpitandrina

Fanoloran'ny Synodamparitany SP37 ny Mpitandrina Rasoavimbahoaka Fanjanavalona mivady eto Peniela (Sary)